Ho fitandrovana ny ainao sy ny
an’ny hafa no antony hialana
alavitra rehefa misy fiara
mpitatitra solika mivadika
Isan-taona, olona an-jatony no mamoy ny ainy rehefa naka solika miraraka raha sendra tojo fiara mpitondra solika nivadika. Noheverin’izy ireo ho tombontsoa ny fanaovana izany, kanefa lasa minitra farany teo amin’ny fiainany.
Ity tranokala ity dia natao mba afahanao mianatra ireo fihetsika tokony atao sy ireo tsy tokony atao rehefa sendra misy fiara mpitatitra solika mivadika.
Mialà alavitra ny faritra misy ny loza
Entano ny hafa hiala alavitra farak’izay aingana ihany koa
Mialà mankany amin'ny lalana mifanohitra amin'ny fitsokan'ny rivotra mba hisorohana ny fivoahan’ny etona misy poizina
Antsoy ny laharana vonjy taitra
(Mpamonjy voina, polisy, Zandarimaria)
Mialà alavitra hatrany ary araho ny torimarika omen’ny manam-pahefana
Vonoy ny finday
raha sendra akaiky loatra ny faritra misy ny loza no misy anao
Entano ihany koa ny olona eo akaikinao anao toy izany
Ampandreneso ireo mpandalo amin’ny loza nitranga
Lazao ihany koa ireo mpitondra fiara tsy handalo ny faritra misy ny loza
Raha mpitondra fiara ianao, miala alavitra ny faritra nisy ny lozam-pifamohivozana
Fanampaha-kevitra kely iray dia mety ahafaty na hamonjy ny ainao.
Raha ianao, inona no ataonao raha sendra misy fiara mpitatitra solika mivadika ?